- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversHôpitaly Miaramila Soavinadriana : 130 taona nifanindrran-dalana tamin’ny tantaram-pirenena hatrany

Hôpitaly Miaramila Soavinadriana : 130 taona nifanindrran-dalana tamin’ny tantaram-pirenena hatrany

Nomarihina ny 13 aogositra 2021 teo ny faha 130 taona nisokafan’ny hôpitaly miaramila Soavinandriana. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin’ny Lasapelin’ny Fiangonana Loterana Soavinandrina no nanamarihana izany fanakalazana izany taon-jaobily lehibe izany io marain’ny zoma 13 aogositra io. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity fotoana ity Andriamatoa Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Tafika, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana miaramila sy sivily. Araka ny tantara dia ny 13 aogositra 1891 no nitokanan’ny mpanjakavavy Ranavalona III sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony, ny Trano Fitsaboana Soavinandriana, izay anisan’ny Hopitaly voalohany taorian’ny tobim-pahasalamana Analakely. Taorian’izay dia nalain’ny Jeneraly Gallieni ho hopitaly fitsaboana ny miaramila frantsay sy ny teratany frantsay ny toerana, ka lasa Hopitaly kolonialy Soavinandriana indray. Ny 3 jolay 1975 no nanomezana anarana hoe « Girard et Robic » izay namorona ny vakisiny fanefitry ny pesta. Ny 25 novambra 1977 no naverina tamin’ny fitondram-panjakana malagasy izany, ary lasa Hopitaly Miaramila Soavinandriana, izay teoambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny fitantanam-bola tamin’izany, ka ny Profesora Jules KAPISY no Tale voalohany, ary nodimbiasan’ireo dokotera miaramila maro. Ankehitriny dia ny profesora Rakoto Fanomezantsoa izay Tale Jeneralin’ny Hopitaly no miandraikitra ny fitantana. Manoloana izany dia andro manan-tantara amin’ny « Centre Hospitalier Soavinandriana », na CENHOSOA, ny datin’ny 13 aogositra. Araka izany tanatra izany dia azo lazaina fa tena nifandrindran-dalana sy nanamarika ny tantaram-pirenena malagasy tokoa ity hôpitaly ity, ary tsy nitsahatra nandray andraikitra tamin’ny amin’ny fananterahana ireo andraikitra nankinina taminy teoamin’ny fahasalamana eto Madagasikara hatramin’izao. Fitaovana lehibe eo am-pelatananan’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena ihany koa izy hanatanterahany ireo paik’ady rehetra mifandraika amin’ny tanjona napetraky ny minisitra ankehitriny ao anatin’ny fanavaozan-drafira atao eo anivon’ny Tafika, dia ny Tafika manakaiky vahoaka, raha tsy hilaza afa-tsy ny fandarisana ajara mavitrika nataon’ireo mpitsabo miaramila avy eo anivon’ity hopitaly ity tamin’ny ady amin’ny valan’aretina covid-19 sy ny kere tany atsimo. Asa izay nisaoran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ireo rehetra nisehatra tamin’izany nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Fotodrafitrasa vaovao.

Taorian’izany dia nitsidika ny sampandraharaha misahana ny aretina homamiadana izy ireo. Ity sampandraharaha ity no mandray, mitantana, ary mikarakara akaiky dia akaiky ireo olona voan’ny homamiadana. Ny mampiavaka n yHopitaly dia noho izy Hopitaly tarihin’ny miaramila, sady izy irery ihany no hopitalim-panjakana mandray ny « fiantohana » ho an’ny mpiasam-panjakana, na ny sehatra tsy miankina. Mba hahafahana miatrika ireo ambana vaovao dia nampitoboina ny fahafahana mandray ireo marary mila fitsaboana ao amin’ny « urgence ». Ny fahavitan’ity sampandrahara ity no voasokajy ho atao tsangambaton’izao fankalazana izao. Manaraka ny fenitra ny hopitaly, raha ny fandraisana an-tanana ny marary no resahina, satria dia ahitana sampandraharaha 26 izany ary atsy ho atsy dia hisantatra ny sampandrahar afandidiana fo sy ny lalan-drà, izay voalohany eto Madagasikara. Ity sampandraharaha ity dia tena mila fitaovana avo lenta sy manara-penitra mba hahafahan’ny vahoaka malagasy misitraka izany, ka tsy voatery handeha any ivelany intsony raha mila fandidiana amin’ny fo. Natao izao ho fanatsarana hatrany ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ireo marary, indrindra fa ho an’ny vahoaka malagasy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici