- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHopitaly Taolagnaro : Ny tazomoka sy ny tosidrà no aretina roa voalohany...

Hopitaly Taolagnaro : Ny tazomoka sy ny tosidrà no aretina roa voalohany mpahazo ny mponina

Ny ampahany betsaka amin’ireo marary ao amin’ny hôpitaly be Philibert Tsiranana (C.H.R.R.) Amboanato dia tratran’ny aretina tazomoka sy tosidrà avokoa. Fantatra io tamin’ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo iray ao amin’ity tobim-pahasalamana iray ity. Aretina ateraky ny kaikitry ny moka. Amin’izao fotoana izao mantsy dia mahazo vahana ny aretina noho izay fihanahany izany. Iaraha-mahalala fa amin’ireo toerana lobolobo sy amin’ny faritra mando lava no manatody sy mikotrika izy ireny. Vokatr’izany dia tsy zarizary ny fitsaboana, ny ankamaroan’ny olona manao dokotera ny tenany. Misy ny marary efa am-bavahaona ary tsy vitsy no namoy ny ainy vokatr’izany. Saika ireo ankizy madinika sy ireo marefo ara-pahasalamana mazàna no tratran’ny aretina. Olana ny tsy fisinan’ny fizarana maimaimpoana lay misy odi moka intsony, eo koa ny fanentanana ny mponina amin’ny fanadiovana ny manodidina sy ny tsy fanatonan’ny mponina ny tobi-pahasalamana. Mahakasika ny aretina faharoa (tosidrà), mpahazo ny olona any an-toerana, dia vokatry ny hafanana tampoka be loatra sy ny toetrandro miovaova. Ireo efa zokinjokiny no lasibatra amin’ity aretina tosidra ity. Aretina tsy dia nisy loatra tao anatin’ny taona maro. Sahiran-tsaina àry very hevitra ny tsy manana horaisina eo am-pelatanana. Mila vonjy amin’ny tomponandraikitra

Rom Farady

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser