- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversHopitaly teto Tanà: Raikitra ny totohondry tao amin’ny “urgences”

Hopitaly teto Tanà: Raikitra ny totohondry tao amin’ny “urgences”

Tsy fifanajana no anton’ny disadisa ary samy nahita ny roa tonta, fa nisy fahadisoana na ny andaniny na ny ankilany. Andaniny, olona milaza azy ho mahitahita ka tsy maintsy ny marariny no alefa mialoha. Ankilany, ny mpitsabo sy ny mpanampy azy ; izay sady nandray ny marary no nisy niantso an-telefaonina ka namaly izany. Izay fifanandrifian-javatra izay no niteraka ny hasosorana tamin’ireo olona nitondra marary ary namonkona totohondry avy hatrany. Dia tena nikasi-tànana tokoa ary naratra hatramin’ny mpitsabo. Niditra an-tsehatra nanampy ny mpitsabo mpanampy ary mbola naratra ihany koa. Tonga hatramin’ny fiantsoana mpitandro ny filaminana mihitsy satria nanakorontana tao amin’ny sampana fameloman’aina izany tranga izany. Na ny marary hafa aza nikorotan-tsaina vokatry ny sakoroka izay nisy tamin’ny toerana izay tena ilana fahanginana sy filaminana satria iankinan’ny ain’olona. Mahitahita tokoa ilay olona satria na ny mpitandro ny filaminana izay nantsoina aza dia niala bala ary tsy tonga akory aza, eny fa na dia efa misoratra eo amin’ny rindrin’ity sampana fameloman’aina ity aza ny laharan’izy ireo ary na dia efa nisy ihany koa aza ny fifanaraham-piaraha-miasa fa miditra an-tsehatra avy hatrany izy ireo rehefa misy tranga fanakorontana ny hopitaly, indrindra ny sampana fameloman’aina. Tafalatsaka ambany tanteraka ny toe-tsain’ny olona sasany ankehitriny. Ny olona hitsabo indray no nomena totohondry. Tonga amin’ny fitenin’ny Ntaolo hoe : « miady amin’ny mpangarom-bilany ». Na izany aza anefa tokony hieritreritra ihany koa ny mpitsabo sasany amin’ity fampiandrasana marary ity, satria tena maharary ny olona izany, saingy tsy afa-manoatra izy ireo satria tsy misy safidy. Izany rehetra izany no mitambatra tamin’ity indray mitoraka ity no niteraka sahotaka sy totohondry…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici