Mbola voararan’ny lalàna eto amintsika ny fanaparitahana sy famokarana ny horonan-tsary mamoafady.
Ny sabotsy lasa teo tokoa ary, olona folo no voasambotry ny mpitandro filaminana raha nanao fisafoana araka ny mahazatra azy ireo ireto farany, teny amin’ny faritra Andrefan’Ambohijahanary iny. Araka ny vaovao voaray dia olona mpamokatra sy mpilalao ireny horonan-tsary mamoafady ireny ireto olona ireto. Saika mbola tanora avokoa, satria dia manodidina ny 20 ka hatramin’ny 30 taona izy ireo. Fito amin’izy ireo no vehivavy mpilalao ary ny telo kosa dia lehilahy mpamokatra sy mpanamparitaka. Malagasy avokoa izy ireto, araka ny loharanom-baovao hatrany, saingy misy vazaha vavy mpiray tendro amin’izy ireo manarama sy miara-miasa amin’izy ireo. Voalaza tamin’izay fa mahatratra 20.000 euros ny karaman’ireto mpilalao ireo ka arakaraka ny « position » atao mandritra ilay filma. Raha ny fitantarana vehivavy iray nilalao tamina horonantsary mamoafady dia io vazaha vavy io no nifandray taminy tamina tranonkalam-pifandraisana. Nanoro azy ny lehilahy hiaraka aminy, ka vehivavy telo ho an’ny lehilahy iray no vontoatin’ilay horonantsary. Tamina hôtely iray teny Ilafy no notanterahina izy ity ary nifanarahana fa rehefa vita dia ho tonga aty Madagasikara ilay vazaha vavy hanome ny karama. Ny 13 jolay lasa teo no tokony ho avy ity vazaha vavy ity, nefa nandefa hafatra izy fa tsy ho tonga indray, roa andro talohan’io, ary tsy hita popoka hatramin’izao. Nopetehina niaraka tamin’izay ireo kapika nisy ity horonantsary ity. Nisy olona niantso indray anefa ity vehivavy ity, fotoana taty aoriana. Gaga sy niahiahy ihany izy, araka ny vaovao voaray hatrany, fa mbola ireo telo lahy niara-niasa tamin’ilay teratany vahiny ihany no tonga nifanao fotoana taminy, teny Andrefan’Ambohinajahary. Rehefa niantso ny mpitandro filaminana ity vehivavy ity dia nosamborina tamin’izany ireto telo lahy ireto, niaraka tamin’ireo vehivavy. Araka ny voalazan’ny pôlisy hatrany dia sady mifoka rongony izy ireo no manao ny ataony. Ny 5 tamin’izy ireo no natolotra ny fampanoavana omaly.
Mike L.