Nanapakevitra ny fitsarana, omaly fa ho tanana am-ponja vonjy maika i Oliva A. lehibe mpitarika ny inter syndical ao amin’ny Jirama miaraka amina olona iray voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy noho ny resaka hosoka sy fampiasana hosoka tao amin’ny trano fitsaboana an’io orinasa io. Efa maro ny lahatsoratra nahakasika an’ity zavatra ity nivoaka an-gazety. Tamin’ny alakamisy izy ireo no teny amin’ny Fampanohavana ary voalaza fa nahazo fahafahana vonjy maika. Toa nivadika indray anefa izany, omaly zoma ka dia izao nampidirana am-ponja azy izao eny Antanimora ny fanapahan-kevitra noraisina. Voalazan’ny vaovao fa resaka fanoneram-bola tsy araka ny tokony ho izy no anton’izao zavatra izao. Ny vaovao voaray hatrany no hilazana fa toa hoe olona tsy tokony ahazo izany fanoneram-bola izany akory no nomena ny vola. Etsy an-daniny, efa be ihany koa ny resaka mikasika ny fitokonana eny anivoan’ny orinasa Jirama. Nisy araka izany ny antota-taratsy maro tonga eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra, indrindra momba ireo lohandohan’ny mpitarika grevy. Efa natao famotorana teny Fiadanana tao amin’ny sampana fikarohana ny maro amin’izy ireo ka anisan’izany i Oliva. Nivoatra niandalana anefa ny fandehan-javatra taty aoriana.
Nangonin’I r.s.