Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « Service Central des Investigations Economiques et Financiers »Anosy tamin’ny talata teo, teny Alarobia Amboniloha, ny lehilahy iray mpisoloky sady mpanao hosoka. Voalazan’ny vaovao fa tena kinga tokoa izy amin’ny zavatra ataony. Amin’ireny gazety misy filazana zavatra amidy ireny izy no mijery izay olona mila fiara, ohatra. Telefaonina hatrany no ampiasainy amin’izany, hilazany fa manana ilay zavatra tadiavin’ny olona izy. Misy tokoa no roboka manaraka azy hatrany Toamasina. Rehefa any,tsy avelany hiditra ny seranana fa miandry any ivelany. Asainy mandoa vola hamoahana ny entana ao amin’ny seranantsambo. Atao ny taratasy handraisany ny vola ary samy manana dika mitovy ny roa tonta. Rehefa azony ny vola, dia tsy hita intsony ny anao lahy. Antsoina ny telefaonina fa tsy mandeha koa. Nosavaina ny tranony ka nahitana “puce” maro, karapanondro samihafa misy ny sariny, fa ny anarana no tsy mitovy. Voalaza fa ireny karapanondron’olona very ireny no soloina ny sary, asiany ny azy.
Omaly zoma no nentina teny amin’ny fitsarana ity mpisoloky ity.
r.s.