Efa somary alindalina ihany vao vita ny fihenoana ireo olona voarohirohy, tamin’ny fanaovana hosoka tamin’ny fanadinam-panjakana « baccalaureat » farany teo, tao Soavinandriana, ny alatsinainy lasa teo. Hosoka izay nahavoarohirohy mpampianatra iray, mpianatra eny anivon’ny Anjerimanontolo, ary mpiadina miisa telo. Fantatra tamin’izany fa nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy, ilay mpampianatra sy ilay mpianatra eny anivon’ny Oniversite, ary araha-maso ara-pitsaràna kosa ireo mpiadina araka ny fanahapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Marihana fa ny 23 aogositra ho avy izao no hiakatra eny anivon’ny Fitsaràna any an-toerana ny raharaha.
Raha tsiahivina ny zava-nisy, ny alakamisy lasa teo, tao anatin’ny andro nanaovana ny fanadinana mihitsy no tra-tehaky ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana Itasy, ambodiomby teo am-pamaliana ireo laza adina izay mandeha tamin’io fotoana io, ny lehilahy iray. Taorian’ny famotorana dia fantatra fa mpampianatra izy io ary niaiky tokoa fa mamaly ireo laza adina ho an’ny mpiadina tao anaty ny ivon-toeram-panadinana. Marihana fa nisy tovolahy iray mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo niray tsikombakomba taminy tamin’ity hosoka ity. Ity farany izay voalaza fa manan-joky, efa imbetsaka nanala fanadinana saingy tsy afaka ary mba ho fanampiany an’io zokiny io no nifandraisany tamin’ilay mpampianatra. Izy anankiroa ireto araka izany, ireto nadoboka am-ponja vonjimaika ireto.
m.L