- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFoibe Fitsaràna fiarakodia : Hosokafana ny sampana mpiandry raharaha isaky ny sabotsy

Foibe Fitsaràna fiarakodia : Hosokafana ny sampana mpiandry raharaha isaky ny sabotsy

Ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Foibe fitsaràna fiarakodia, nandray ny fitantanana omaly

« Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly ary tsy hanavahana na asiana fandeferana na ho an’iza na ho an’iza ». Hentitra dia hentitra tokoa ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsaràna fiarakodia  vaovao, Atoa Jly Reribake Jeannot, omaly, nandritry ny lahateniny, tao anatin’ny lanonana famindram-pitantanana tetsy amin’ny foiben-toeran’ny fitsaràna fiarakodia tetsy Alarobia Amboniloha. Maro ireo vina entiny sy ny fanovàna kasaina ho tanterahana ka ao anatin’izany, ho an’ny fohy ezaka, ny fametrahana ny sampana mpiandry raharaha eo anivon’ireto toerana fitsaràna fiara. « Misy « centre » iray na roa hosokafana isaky ny sabotsy, hitsinjovana ireo mpanjifa sahirana ara-potoana ary atomboka amin’ny sabotsy izao izany eto an-drenivohitra » hoy izy. Ao ihany koa ny resaka fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny resaka fandriam-pahalemana an-dalambe, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanao fanantanjahan-tena matihanina, indrindra fa ireo eo anivon’ny zandariamriam-pirenana, hanentana amin’ny fisorohana ny loza. Ho an’ny ezaka lavitr’ezaka izay hifanindran-dalana amin’ireo politikam-panjakana, dia fantatra fa ho vinavinaina ny hananganana ivon-toerana fitsaràna fiarakodia eny amin’ny tanana vaovao Tanamasoandro, torak’izay ihany koa amin’ilay tetikasa lalana migodana « autoroute »,mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.

Marihana fa tamim-pirahalahiana tanteraka ny nanatontosana ity lanonana miavaka famindram-pitantanana ity omaly. Lanonana izay teo ambany fiahian’Atoa Jly Andry Rakotondrazaka, Ministra delege misahana ny zandarimariam-pirenana sy Atoa Jeneraly, kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ary notronin’ireo vahiny marobe, manamboninahitra sivily sy miaramila. Nisy ny fitsofan-drano ny Tale jeneraly vaovao hahavita be amin’ny asa vaovao ho sahaniny ary ny fisaorana manokana ny tale jeneraly teo aloha, ny Jly Kassimo Arona Besony, tamin’ny zava-bitany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici