- Publicité -
mercredi, août 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHotel des Thermes : Ramanantoanina Liliane no nahazo tapakila roa mankany ivelany

Hotel des Thermes : Ramanantoanina Liliane no nahazo tapakila roa mankany ivelany

Fahombiazana tanteraka, izay no azo amehezana ny hetsiky ny faran’ny taona tao amin’ny hotel des Thermes Antsirabe. Lanonana roa sosona no notanterahana, ny alin’ny 31 Desambra lasa teo. Teo ny St Sylvestre niarahana tamin’ny Rta Antsirabe  izay tena nahasarika olona maro tokoa, nanafana ity alim-pandihizana ity moa ry Ndondolah sy ny  ekipany, ary i DJ Nicky Di Manou. Isan’ny nampiavaka ity lanonana ity, ny fisian’ny afomanga tamin’ny 12 ora alina sy ny fizarana « champagne » tamin’ireo rehetra niaraka nitsena ny taona vavao 2015.  Feno hipoka tanteraka ny toerana, ora vitsy taorian’ny nisokafan’ny lanona, dia lany ny tapakila fidirana. Fa ankoatra izany, nisy  koa ny lanonana niavaka, « soirée conviviale » tao amin’ny efitrano fisakafoana « le pousse café » izay nahasarika olona maro ihany koa. Nisy ny fisarihana natao  nahazoana loka maro, ka ny tena goavana indrindra dia ny tapakila fiara manidina mizotra Tanà – Maurice-Tana sy tapakila iray Tanà-Paris-Tanà. Nanao pao-droa i Ramanantoanina  Liliane,  izy no niangaran’ny vintana tamin’ny fisarihana, ka azony avokoa ny tapakila roa. Nanohana ny hetsika moa ny kaompania Air Madagascar. Tao anatin’ny filaminana tanteraka no nizoran’ny lalonana sy nitsenan’ireo fianakaviana maro ny taona vaovao 2015.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser