- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversHotsaraina anio : Nahodin’ny sipany tamin’ny hosoka ny fiarakodiany

Hotsaraina anio : Nahodin’ny sipany tamin’ny hosoka ny fiarakodiany

Anio amin’ny fitsarana Anosy no hiakatra ny raharaha. Tantaram-pitiavana izay ratsy fiafara izy ity ary fanararaotana ara-materialy no tena tao ambadiny. Nisy ny fifankatiavan’ny olona roa ary noho ny fitarainan’ilay vehivavy, dia mba nijoro ho lehilahy ilay olon-tiany ary nitondra fanampiana betsaka hoazy teo amin’ny fiainana. Tonga hatramin’ny fametrahana ny fiara taminy mba hampiasainy amin’ny fiainana andavan’andro ary koa napetraka taminy ny andraikitra mba hivarotany izany.  Nivadika tanteraka anefa ny rasa, satria nohararaotiny izany ary dia navadiny tamin’ny anarany ny fiara ka rehefa lasany dia namidiny avy teo. Etsy andanin’izany, fantatry ny lehilahy, fa hay misy olon-kafa miaraka aminy ato ambadika ary io dia manamboninahitra eo anivon’ny polisy. Mazava hoazy fa nampihemotra tanteraka ilay lehilahy voalohany izany rehetra izany, na dia teo aza ny fandresen-dahatra taminy toa ny hoe efa hisaraka tanteraka ilay vehivavy sy ilay manamboninahitra, ary koa ny hoe efa mitondra vohoka (aminy) ilay vehivavy. Nisy ihany anefa ny fitserana teo ary dia mbola nitohy niaraka, saingy tao anatin’izany dia mbola voaporofon-dralehilahy hatrany ny mbola fiarahan’ilay olon-tiany, izany hoe ilay manamboninahitra. Rehefa naka ny fiara izay fananany ary ilay voalohany, dia vava no azony. Tsy vitan’izay fa rehefa nofotopotorana ny raharaha, dia fantatra fa efa voavadik’ilay vehivavy tamin’ny anarany tamin’ny alàlan’ny hosoka izay natao tao amin’ny firaisana iray eto an-dRenivohitra, raha araka ny fanazavan’ny mpitory. Niakatra ny raharaha ary nitaraina ny mpitory fa noho ny tsindrihazolena izay nataon’ilay manamboninahitra sipan’ilay olon-tiany, dia tsy lasa lavitra ny fitoriana ary nivadika ho fivadiham-pitokisana tsotra ny tokony ho fampiasana hosoka anaty boky izay fototry ny fitoriana. Manahy mafy izy, fa ho vitavita foana ity raharaha ity ary isan’ny nahatonga azy nivoaka tao anaty fahanginana izany ka mba hijeren’ny fitsarana akaiky ity raharaha izay handeha anio ity. Tsy nisy akory mantsy na fanadihadiana ifotony aza (instruction) tao anatin’ny fikirakirana ny raharaha. Harahina ny tohiny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici