- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHVM Ankadikely Ilafy : Nomena sehatra manokana ireo beantitra

HVM Ankadikely Ilafy : Nomena sehatra manokana ireo beantitra

« Lavitra dia lavitra no misy ahy, kanefa dia tonga eto, hiara-hifaly ary mba hitondra ny hetahetanay beantitra … ».Torapon-dramatoa iray mananika ny 90 taona, amin’ilay feo efa mangovitra sy zara raha heno, ny sabotsy lasa teo, teny Antanandrano, nandritra ny nofon-kena mitam-pihavanana, nifampizaran’ny biraon’ny HVM Ankadikely Ilafy ; notarihin’Atoa Ravelonanosy Andriantefy Bruno, delege kaominalin’ity antoko ity eny an-toerana tamin’ireo fokonolona. Teo ihany anefa dia voavaly ny fanirian’ity zokiolona ity. « Hojerena manokana ireo zokiolona, satria izy ireo no raiamandrenin’ny tanàna, ka tokony homem-boninahitra », hoy izy tao anatin’ny lahateniny. Fety  ho fifampiarahabana  nahatratra ny taona, niarahana tamin’ireo solontenam-pokonolona ao anatin’ny fokontany 18 mandrafitra ny kaominina Ankadikely Ilafy, ary notronin’ireo tompon’andraiki-panjakana teny an-toerana, sivily sy miaramila. « Ekena fa nisy ny fandalovan’ny rivodoza, izay nampitondra takaitra ny sasantsasany tamintsika, kanefa tsy nahasakana ny fifanatonana izany, ka nahavory lanona antsika teto amin’ity toerana ity » hoy hatrany izy. Raha ny fanazavana azo tokoa mantsy dia isan’ireo nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza iny ity faritra ity. Efa nisy ny tolo-tanana nataon’ny antoko teny an-toerana, ho fanampiana ireo traboina. Fa tamin’ity fety indray mitoraka ity kosa, dia nahazo vahana tokoa ireo beantitra, izay tena tonga marobe tokoa, nandao ny tokantrano sy asa aman-draharaha mba hifanotrona sy hifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao. Araka ny fomba malagasy, adidin’ny zanaka ny manome solom-bodiakoho ho an’ireo raiamandreny rehefa tonon-taona toa izao. Tsy hadinon’Atoa Ravelonanosy Bruno, nombam-bady aman-janaka tamin’io fotoana io tokoa izany fomba izany, ka nanolorany ny sahaza azy tsirairay avy ho an’ireo zokiolona nomem-boninahitra teny an-toerana. « Hatsaraina ny fiainan’ireo zokiolona amin’ny ankapobeny eto amin’ny kaominina misy anay, satria toa natao ankilabao foana izy ireo teo aloha teo » hoy hatrany izy. Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana sy fiaraha-mikorana moa ity lanonana ity. Fantatra ihany koa fa nosokafana tamin’io fotoana io ny birao vaovaon’ity antoko ity eny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser