- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversI Fab : Gadra mandra-pahafaty mbola afaka nanafika ihany

I Fab : Gadra mandra-pahafaty mbola afaka nanafika ihany

Pôlisy teo aloha izy.
Pôlisy teo aloha izy.

Efa im-betsaka ny sariny no nivoaka tamin’ny gazety sy haino aman-jery, satria efa voasambotra im-betsaka ihany koa izy. Kidnapping, fanafihana karàna, vono olona ary koa fitifirana ny Minisitry ny pôlisy teo aloha, izany rehetra izany dia efa nahenoana ny anaran’ity jiolahy ity hatrany. Voaheloka  higadra mandra-pahafaty izy rehefa notsaraina, saingy nisy namoaka avy amin’ny alàlan’ireny “main d’oeuvre pénale” ireny, izany hoe misy manam-pahefana mangataka ny mba hiasany ao aminy. Dia avy amin’izany no nahafahany indray nanatontosa heloka bevava. Tao anatin’ny fihainoan’ny pôlisy azy dia fantatra fa izy no tompon’antoka tamin’ny fikasana hamono  ny Minisitry ny filaminam-bahoaka teo aloha Azaly Ben Marouf (2001), ny fakana an-keriny ny karàna Alvaraly Houssen (2015). Pôlisy efa voaroaka izy io, raha araka ny fanamarihana hatrany. Ny talata teo no nisy nahatsikaritra teny amin’ny fiantsonan’ny Taxi-Brousse teny amin’ny fasan’ny karàna. Nampandre ny pôlisy misahana ny heloka bevava ilay olona ary tena nitombina tokoa fa i Fab no teo. Mazava hoazy fa efa hain’ireo mpisambotra tsianjery ny tarehiny, satria efa im-betsaka izy no nentina tao amin’ny BC noho ny heloka bevava maro efa vitany. Niaraka tamin’ny lehilahy iray antsoina hoe Solomon izy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Saika hitsoaka tany Toliara ary efa tao anaty taxi-brousse no azo izy mirahalahy. Sarona niaraka taminy ny basy PA

marika MF calibre 6,35 mm sy “puces” marobe fampiasa amin’ny finday. Ny 2009 izy no nitsoaka ny fonja ary nanomboka niverina nanao ny asaratsiny. Natolotra ny fampanoavana omaly ary naiditra am-ponja vonjimaika izy roalahy. Ny tranga toa itony dia manazava fa misy lamosina ny jiolahy, indrindra ireo tena mpanao heloka bevava. Matoa izy ireo sahy mamerin-keloka dia matoky ny mpiaro izy ary fantany fa fandalovana fotsiny ihany ny fonja. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, mba natao fanadihadiana ve ny manampahefana izay nanao “mise à la disposition” an’i Faby. Azo raisina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fampitsoahana azy mantsy…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici