- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversIajaky-Ambositra : Firotsahana ny tamboho, zazalahy iray no maty

Iajaky-Ambositra : Firotsahana ny tamboho, zazalahy iray no maty

Vokatry ny fahavaratra sy ny andro ratsy, dia tsy nisahatra nilatsaka ny orana teto Ambositra, miha malemy ny tany ary  tsy vitsy ireo tamboho mianjera. Vokatry ny fahavaratra sy ny andro ratsy, dia tsy nisahatra nilatsaka ny orana teto Ambositra, miha malemy ny tany ary  tsy vitsy ireo tamboho mianjera, toy ny zava-nisy  ny zoma 8 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nianjera ny tamboho lehibe iray vita rarivato, ka nahafaty zazalahy iray 10 taona izay nilalao  teo ambaniny, toy ny nahazatra azy.Na dia niezaka  aza ny olona namonjy ilay zaza, dia tsy tana intsony ny aina, vokatry ny firotsahan’ ny tany nifangaro tamin’ny vato “moellon” marobe. Marihina, fa io zazalahy io dia mpianatra ao amin’ny EPP Ramonja-Ambositra. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny  tsirairay amin’ny fisorohana ny loza, fa indrindra amin’izao fotoam-pahavartra izao, koa samia mitandrina.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici