Mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra Ihorombe, ka mandry andriran’antsy ny vahoaka. Raim-pianakaviana iray mpiasan’ny paositra teo aloha no voatafika tao an-tranony tany Bekatra Iakora, afak’omaly. Maty tsy tra-drano norarafan’ireo jiolahy tamin’ny tifitra ity farany, avy eo norobain’ ireo olon-dratsy ny ombiny rehetra tao am-bala niampy ireo entana tao an-trano zakan’ireo dahalo nirongo basy azon’izy ireo nalaina. Hatramin’izao dia mbola any am-panarahan-dia ireo malaso ny mpitandro filaminana arahina vatan-dehilahy Kalaony miisa zato, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa