- Publicité -
mardi, août 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIakora : Olona sivy maty voatifitra, roa lasa takalon’aina

Iakora : Olona sivy maty voatifitra, roa lasa takalon’aina

Mandripaka indray ny dahalo. Nandriaka ny rà. Olona sivy no namoy ny ainy, roa lasa takalon’aina, am-polony ny naratra, ary omby maherin’ny 200 isa teo no lasa. Ireo no vokatry ny fanafihan-dahalo maherivaika niseho tao amin’ny fokontany Bekatra, ao amin’ny kaomina Ranotsara Nord, any amin’iny distrikan’Iakora iny ny talata lasa teo. Manodidina ny zato any ho any ny isan’ireo dahalo, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo zandary any an-toerana. Basim-borona, lefona, famaky ary zava-maranitra isan-karazany no entin’ireto malaso ireto manafika. Vao nangiran-dratsy izy ireo dia tonga tamin’io tanana io. Lasan’izy ireo tamin’izany ny ombina mpandraharaha iray tany an-toerana niaraka tamin’ny ombin’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Tsy vitan’ny omby ihany anefa no lasan’izy ireo fa hatramin’ny mponina ihany koa. Satria dia nisy olona roa nentin’ireto dahalo ireto nataony takalon’aina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana ka sivy tamin’ireo mpanara-dia no lavon’ny balan’ireo malaso. Votsotra kosa tetsy an-danin’izay ireo azo takalon’aina. Omby miisa 20 ihany koa no efa tafaverina. Resy tosika ka voatery niverin-dalana araka izany ireo mpanara-dia. Fantatra moa fa nandefasana fanampina mpitandro filaminana izay ahitana miaramila avy amin’ny 1er CCTG sy ny zandary avy amin’ny vondrontobim-paritra ao Ihosy, raha ny vaovao hatrany, hanampy tosika ireo efa tany an-toerana. Hatreto, raha ny fampitam-baovao hatrany, dia mbola mitohy izany fanarahan-dia izany. Fa tamin’io andro io ihany, ny alina, tompon’omby iray, izay mpiasan’ny paositra teo aloha, no maty voatifitry ny dahalo ihany koa, taorian’ny fanafihana nihatra taminy. Omby miisa 20 kosa no lasan’ireo malaso tamin’izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici