- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIakora : Trano 60 mahery indray voatafika

Iakora : Trano 60 mahery indray voatafika

Rehefa tsy misy na tsy azo ny omby hangalarina dia mamaky trano ireo malaso. Trano 60 mahery no norobaina andian-dahalo  45 nirongo basy tany Iakora ny 15 janoary lasa lasa teo. Fanaka, akoho amam-borona niampy kojakoja fampiasa an-dakozia  izay zakan’ireo olon-dratsy no nentiny. Na dia nampihorohoro tanteraka aza ireto andian-dahalo ireto, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dia tsy niraviravy tànana ny fokonolona fa nanara-dia avy hatrany. Vao nahita izany ireo malaso dia nitifitra. Lehiben’ny « Kalaony » iray no naratra mafy vokatr’izany ka miady amin’ny fahafatesana. Matetika mampahazo vahana ny asa ratsy isan-karazany amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao, noho ny fahatapahan’ny herinanaratra manamaizina ny tanàna. Eo ihany koa ny fiakaran’ny rano, ny fahatapan-dàlana na làlana ratsy ka mampanano sarotra amin’ny fanarahan-dia.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser