- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversIandro Robertson : Nodimandry ny Sabotsy teo

Iandro Robertson : Nodimandry ny Sabotsy teo

Nodimandry ny sabotsy teo ny « Jeneraly Solamena » na Iandro Robertson. Maro ireo namana tapaka samy hafa nirary soa azy tao anaty facebook vao maraina vokatra izany, isan’izany ireo mpiara-nitolona taminy tamin’ny resaka politika izay tena nahalalan’ny olona azy teto Toamasina. Tamin’izay resaka politika izay dia ny fanoherana an’ny Amiraly Ratsiraka ny taona 1991 no tena nahalalan’ny olona azy voalohany, izay nandraisany anjara mavitrika tao anatin’ny “hery velona” teto Toamasina. Izay no nahazoany anaram-bositra hoe “jeneraly Solamena” noho ny fahasahiany nanohitra tamin’ny herin’ny manontolo an’ny Amiraly Ratsiraka tamin’izany. Taorian’izany dia mbola nanohitra ny Amiraly hatrany ny tenany ny taona 2001 tamin’ireny fifidianana nifanolana ireny. Na efa nifanenjehan’ny mpomba ny Amiraly teto Toamasina aza ny tenany noho ny fasahiny tamin’izany, ka nitsoahany tao Antananarivo, dia tsy nanakana azy nitolona tamin’ny andron’ny KMMR na Komity Miaro Atoa Marc Ravalomanana izany ary isany mpanangana izany teto Toamasina ny tenany tamin’izay. Mahitsy fiteny ny tenany ka maro ireo tohina amin’ny ambarany, nefa ny zavatra marina hitany sy iainany no ambarany amin’ny mpihaino sy mpiara-mitolona aminy. Na inona ambara anefa dia nahavita be tamin’ny tanànan’i Toamasina Atoa Iandro Robertson na “Jeneraly Solomena”, ka maro ireo namany sy mpiara-miasa taminy ary ireo mpiara-mitolona no nilaza izany. Efa niasa teo anivon’ny faritra Atsinanana sy faritany Toamasina izy tamin’ny fotoana androny, izay nitondrany ny traikefany tamin’izany. Efa nentina any Mandrakandriana fiaviany moa ny razana ny alahady tolakandro tamin’ny 2 ora teo, raha sabotsy maraim-be tamin’ny 2ora maraina izy ny maty. Raha ny fanazavan’ny zanany vavimatoa dia fanina izy vao niahirna teo am-pandriany, ka nianjera tamin’ny tany ary vaky ny lohany, taoriana izay tsy tana intsony ny ainy. Ankoatra izany dia nodimandry ny faran’ny herinandro teo koa ny mpanolontsaina kaominaly ny Toamasina avy amin’ny vondrona IRD, Tpkl Tsarasaina Sylvain. Filohan’ny fokontany Andranomadio P/elle 11/41 koa ny tenany andritra izany, ary isany nafana fo tamin’ny fanohanana ny antoko TGV Toamasina, sy filoha Andry Rajoelina ny tenany tamin’ny fahavelony.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici