- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversIavoloha : Andian’olona manao fanamiana miaramila manakan-dàlana

Iavoloha : Andian’olona manao fanamiana miaramila manakan-dàlana

Maro ny olona nahatsikaritra ny fisian’ny andian-dehilahy manao fanafimiana miaramila teny amin’ny RN7, mifanandrify amin’ Iavoloha. Ny alin’ny alahady teo no nitrangan’izany. Izy ireo dia misandoka manao mpitandro ny filaminana izay mandridra ny fifamoivoizana. Najanona ny fiara maro, indrindra fa ny fiara lehibe manao asa fitaterana. Nisy tamin’ireo ny kamiao izay nitondra saribao avy any atsimo mba hoentina ety an-drenivohitra. Rehefa nijanona ny fiara dia tsy nisy resaka firy fa nosokafana ny taoriana ary navoaka ny entana dia samy nitatitra ny azy teo ireo milaza ho mpitandro ny filaminana. Tsy io ihany, satria maromaro ny olona nitaraina rehefa niharan’izany fandrobana ampahibemaso izany. Nisy ny fitarainana napetraka teny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana saingy natao « contre X » izany satria tsy fantatra ireo olona. Ireo voaroba dia nanamafy fa tsy mpisandoka izany ireo. Sady mitazona basy no manao fanamiana, raha araka ny fanazavan’izy ireo. Loza tanteraka raha izany no zava-nisy satria tafiditra ao anaty baranahiny ny firenena. Ireo natao ho tandroka hiaro ny vozona indray no lasa mandroba. Saingy mila malina rehefa misy ny tranga toa izao satria tsy vitsy koa ny mpisandoka. Mendrika ny mba hohadihadian’ny mpitandro ny filaminana lalindalina kokoa ity zava-niseho ity ary faizina mafy ireo tompon’andraikitra, na tena izy izany na mpisandoka.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici