Kamiao iray avy any Tolagnaro hihazo an’Antananarivo renivohitra, nitondra rongony telo gony, no saron’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (Service Stupéfiant Anosy) ny faha-15 desambra teo. Nisy ny vaovao voarain’ireto polisy nahafahany nanaraka ny dian’ity kamiao ity, tamin’ny lalàna RN7 iny. Tamin’izany indrindra no nahatratrarana ny mpamily sy ny tompon’ny rongony, nifanao fotoana teny Iavoha tamin’ny fahatongavan’ny kamiao teto an-toerana hanolorana ny entana sy ny vola. Teo no voasambotra ilay mpamily. Araka ny nambarany, dia eo no fanaovany fotoana amin’ny tompon’entana,ary tokony ho tamin’ny 12ora antoandro. Tamin’ny 4 ora hariva anefa vao tonga ity farany ary noraisim-potsiny. Rehefa natao ny fisavana, dia nahitana rongony telo gony mifono “sachet” tao ambany “chassis”- n’ilay kamiao. Tamin’ny fanadihadihana natao azy ireo no nahafantarana, fa 100.000 ariary no sarandàlan’ny rongony iray gony nanomboka tany Ihosy, ka hatraty Andrenivohitra. Izany hoe efa mahatratra hatramin’ny 300.000ar ny saran’ireto telo gony ireto ary novidiany 50.000 ariary ny iray gony; izay nokasainy hamidy eny amin’ny faritra Antanandrano amin’ny vidiny 20.000ariary ny sachet. Efa natolotra ny fitsarana omaly, ity mpamily sy tompona rongony ity.
Tetsy andaniny, olona iray ihany koa no tratra nivarotra rongony teny Antanandrano, mbola tamin’ny alatsinainy ihany. Vehivavy iray no voasambotra niaraka tamina fonosana rongony 8. Nilaza izy, fa eny Andravoahany no misy ny mpamatsy azy.
Ornella A. (Stagiaire)