- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIavoloha : Tokantrano iray voatafika, naratra mafy voadaroka ny tompon-trano

Iavoloha : Tokantrano iray voatafika, naratra mafy voadaroka ny tompon-trano

Ny alahady tamin’ny misasakalina, notafihana bandy voalaza fa miisa hatrany amin’ny enina ny trano iray eny Iavoloha. Nitondra basy sy zava-maranitra ary kojakoja famakiana trano izy ireo. Vokatr’izany, entana maro no lasan’ireo jiolahy. Entana izay voalaza fa lafo vidy. Nodarohan’izy ireo ihany koa ny raim-pianakaviana ka naratra mafy tokoa. Ny vaovao voary no nahalalana fa talohan’ny nidiran’ireto mpandroba ireto tao amin’ilay trano dia nofatorany aloha ny mpiambina ary tsy afaka nanao na inona na inona. Niditra an-keriny tamin’izay ry zalahy rehefa avy namaky ny varavarana. Samy tsy nisy afaka nihetsika ireo tao an-trano. Naka izay tiany nalaina izy ireo tamin’izany. Ankoatra ny entana dia voalaza fa saika hoentin’ireo jiolahy hanaraka azy koa ny zanaka vavin’ilay rangahy. Tsy nanaiky izany anefa ity farany. Tsy nisalalasa ireo bandy nively an’ilay rangahy tamin’ny “barre à mine” teny aminy. Voa teny amin’ny faritry ny lohany ilay raim-pianakaviana. Ireo mpandroba kosa taorian’izay lasa nandeha. Izay vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Efa tsy nisy tratra teny an-toerana intsony anefa ireo mpangalatra. Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser