Olon-dratsy roa no voasambotry ny zandary tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ampasambazimba sy Antsongobato, fokontany Antsira, kaominina Ibity, ny alarobia lasa teo. Tamin’ny alàlan’ny loharanom-baovao azo tamin’ny tsara sitrapo no voalaza fa nahafahan’ny zandary nisambotra ireo fanetriben’ny firenena ireto. Nambara tamin’izany mantsy, fa misy olona mitazona basy tsy ara-dalàna tany amin’io tanàna io. Rehefa nahazo alàlana avy amin’ny Fitsarana tao Antsirabe ireo zandary, dia nidina avy hatrany tany an-toerana nanatanteraka ny fisavana. Nahitam-bokany tokoa izany, satria dia sarona tao ireo basy vita gasy maromaro, niaraka tamin’ny zava-maranitra isan-karazany. Ambonin’izay moa dia mbola nahitana karazana ody gasy sy mohara marobe ihany koa tao amin’ity tokantrano iray. Nentina natao fanadihadiana sy notazonina avy hatrany ireo roa lahy tompon-trano taorian’io. « Ampahafantarina ny be sy ny maro, fa heloka bevava ny fitazonana basy vita gasy toy izany, ary loza ho an’ny fiarahamonina ny fananana izany » hoy ny zandary. « Isaorana etoana ireo olona tsara sitrapo ary vonona ny hiara-hiasa amin’ny zandarimaria. Tsy hananana indrafo ireo nanao ny heloka ary tsy hanaiky ny hanao kolikoly ny zandary eto Vakinankaratra ».
m.L