Voasambotry ny zandary tany Ibity Antsirabe ny lehilahy iray nisandoka ho kolonely ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fanazavana azo, nisy olona iray nanandraharaha tao amin’ny zandary ka nisy lehilahy iray nilaza fa mahavita mandamina izany ary nitaky vola. Vola 20.000 Ar no nalainy tamin’izany. Nantsoiny ilay zandary mpanao fanadihadiana. Nitonona ho Kolonely ao amin’ny sekolin’ny zandarimaria izy ary nanome baiko ny hamotsorana an’ilay olona voatazana izay ataon’ity zandary ity famotorana.
Nanao tatitra tamin’ny lehibeny ilay zandary ary ity lehibeny no nanao fanamarinana satria tsy misy zandary hotsindriana fotsiny eo. Niaraka niasa akaiky tamin’ny borigady Andranomadio ny lehiben’ny poste avancé Ibity hamantarana ity milaza ho kolonely. Teo no nahalalana fa taxiphone eo Antsirabe ihany no nampiasaina. Ary ity taxiphone ity dia efa mailo fa tsy miendrika kolonely akory izy. Nosamborina avy hatrany ilay lehilahy ary niaiky fa izy tokoa ilay niantso ary mbola nitaky 2 hetsy ariary rehefa havotsotry ny zandary ilay olona avotany. Natolotra ny fitsarana moa ra-Kolonely sandoka ary miandry fisondrotana girady ao am-ponja izy ankehitriny.
Yv Sam