- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversIbity : Dahalo avy nigadra, nomeny naolan’ny namany ny anabaviny

Ibity : Dahalo avy nigadra, nomeny naolan’ny namany ny anabaviny

Avy namita ny saziny tany am-ponja ity dahalo rain-dahiny iray, niverina nanao ny asa ratsiny indray izy ary tsy vitan’izany, fa nomeny naolan’ny namany teo imasony ny anabaviny mpiaro azy.

Tao amin’ny koaminina Ibity Antsirabe faharoa, no nisehoan’ny tranga. Asa izay nahazo ity dahalo ity, fa ny anabaviny ihany no norobainy. Ny  10 Oktobra  teo, nentiny tao amin’ny tranon’ny anabaviny ireo dahalo namany, norahonany tamin’ny basy ity anabaviny ary nantsoiny ireo namany avy eo hanolana azy teo imasony. Ankoatra izay, vola 60 000 ariary tao an-trano no nalainy. Raha ny fantatra, dia efa lany tamin’ny nanavotana azy avokoa ny anjara lovany,ary io anabaviny io no nikarakara azy  tamin’izany. Tsy nahatanty ny nahazo azy ilay ramatoa ka nametraka fitoriana, ny 13 Oktobra lasa teo no voasambotra ity dahalo ity niaraka tamin’ny namany iray hafa. Sarona niaraka taminy ihany koa ny basy lava iray vita gasy. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy ireto, ary fantatra ihany koa fa mbola izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana Ben’ny Tanàna tao Mangarano, tamin’ny 28 jolay ary nanafika tao Manandona vao tsy ela akory izay. Raha ny fanazavana hatrany,dia mbola misy dimy lahy ireo namany no karohina amin’izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici