- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversIfanadiana : Ben’ny tanàna sy ny zanany roalahy voasambotra

Ifanadiana : Ben’ny tanàna sy ny zanany roalahy voasambotra

Tamin’ny heriandro lasa teo, ny alarobia, nisy fanafihana dahalo nahery vaika tany Ifanadiana. Fantatra taorian’izany fa zandary iray no namoy ny ainy. Omby  an-jatony no lasan’ireo mpandroba. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana ka fantatra izao fa olona 20 no voasambotra anisan’izany ny ben’ny tanàna sy ny zanany roalahy, araka ny vaovao nampitain’ny zandary. Tamin’ny alatsinainy no tratra izy ireo, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny fanafihana nampitondra faisana ny mponina tany an-toerana ity tranga ity. Voalaza fa efa nampiomana ireo mpangalatra fa ho avy. Tetsy an-daniny, niomana ny zandary tany an-toerana nampian’ny fokonolona. Nandritra ny alina, tsy nisy zavatra niseho. Efa tany amin’ny 5 ora maraina tany ho any anefa, nirefotra ny basy. Ireo zandary no voatafika voalohany. Ampolony maro ireo mpanafika. Niezaka nivoaka ny trano avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana nizaha ny zavamisy. Tonga dia notsenain’ireo dahalo tamin’ny tifitra ka voa tamin’izany ny iray. Maty teo no ho eo ity zandary ity. Teo anatrehan’izany, tsy nisy sahy nihetsika intsony ny rehetra. Navoakan’ireo malaso ny omby ary dia lasa nandeha ry zalahy. Natao ny fanarahan-dia niarahan’ny fokonolona sy ireo zandary sisa nampian’ny avy any Ranomafana. Herinandro taty aoriana dia nahitana vokany izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici