- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversIfanadiana : Fiantsonana mpizahatany voatafika, nisy maty

Ifanadiana : Fiantsonana mpizahatany voatafika, nisy maty

Ny alin’ny alakamisy no nisy niditra an-keriny, ny toerana fiantsonan’ny mpizahatany ao Ambohimiera, eo anivon’ny distrikan’Ifanadiana. Folo lahy no tompon’antoka ary avy hatrany dia nampiasa hery. Olona enina tao amin’ilay toerana no naratra mafy. Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo. Raha araka ny fanazavana azo, dia vola mitentina telo tapitrisa ariary niaraka tamin’ny kojakojan-dakozia maro nalanin’ireo jiolahy nandritry ny fanafihana. Nezahina natao ny fanarahan-dia rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana, saingy voafafan’ny orana ny ankamaroany ka tsy hita hatramin’ny farany. Tsy nanakana ny fanadihadiana tsy handroso anefa izany, ary raha ny fanampim-baovao azo dia efa misy olona roa fantatra tao anatin’ireo andian-jiolahy.

 D.R

Mpitarika posy maty voatifitra

Mba saika hiditra an-tsehatra izy hanampy ny olona notafihan’ny jiolahy, kanjo tifitra avy hatrany no valin’izany. Ny harivan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva no nitranga ny fandrobana izay notontosain’ny roa lahy nitaingina « scooter » iray ary nitondra basy. Tranon’olon-tsotra iray no nataon’ireo olon-dratsy lasibatra. Vitan’izy ireo ny asaratsiny, dia nanao tifitra variraraka amin’izay mba hiarovany ny fitsoahany. Mbola betsaka olona nifanaretsaka tamin’io fotoana io ary isan’izany ilay lehilahy mpitarika posy ny asany. Voatifitra izy ary na teo aza ny ezaka nataon’ny mpitsabo tao amin’ny hopitalibe ao an-toerana, dia tsy tàna ny ainy. Raha ny fanazavan’ny zandary, dia mitentina roa tapitrisa ariary ny vola lasan’ny olon-dratsy tamin’ity fanafihana ity. Noraisin’ny polisy ao an-toerana an-tànana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici