- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversIfanadiana : Mpianatra 19 torana tao an-dakilasy rehefa avy nihetsika ambalavelona

Ifanadiana : Mpianatra 19 torana tao an-dakilasy rehefa avy nihetsika ambalavelona

Manoloana ny firongatry ny aretina hafahafa tsy fanta-pototra any amin’ny distrikan’ Ifanadiana, faritra Vatovavy Fitovinany, dia very fanahy mbola velona ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitry ny sekoly any an-toerana. Tovovavikely mpianatra eo anelanelan’ny 12 taona ka hatramin’ny 16 taona 19 no nihetsika “ambalavelona” tao amina sekolim-pinoana iray sy ny sekoly ambaratonga faharoa (CEG) any an-toerana (nipoirany). Manao krizy be ireo ankizy izay tratran’ilay aretina, mikiakiaka tsy misy ohatran’izany ary rehefa avy eo dia torana tsy mahatsiaro tena intsony. Fantatra araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, fa tsy mitsaha-tombo ny isan’ireo ankizy mpianatra hetsehin’ity aretina hafahafa ity. Misy amin’ireo ankizy marary no nampakarina any Fianarantsoa hanaraka fitsaboana. Noho ny firongatr’ity trangana aretina tsy fanta-pototra miseho any Ifanadiana dia voatery nampiato ny fampiarana aloha, ka tsy handefa ireo mpianatra hianatra mandra-pahita ny vahaolana ny tompon’andraikitry ny sekoly.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici