Resaka hasarotam-piaro no niteraka ady teo amin’ireto mpivady tanora monina ao an-tanànan’ i Mazavalagnitra, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Maroharatra, Distrikan’ Ifanadiana, izay niafara tamin’ny vono, ny harivan’ny asabotsy teo. Tsy nahatsindry fo rangahy izay voalaza fa efa mamon-drongony ka naka antsibe lavalela, ary tsy nisalasala nitetika an-dramatoa vadiny tamin’ilay kalaja. Voakapan’ny antsibe teo amin’ny hatony sy teo amin’ny valanoranony havia ary dian’antsy roa niatefa teo amin’ny lamosiny havia, ka naratra mafy nihosin-drà ilay renim-pianakaviana sady niezaka niantso vonjy. Raha vao nahita am-badiny niakarapoka tamin’ny tany ralehilahy, dia nitsoaka noho ny tahotry ny fitsaram-bahoaka. Novonjena namonjy tobim-pitsaboana haingana ny niharam-boina, ka mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao. Nihevitra anefa ity raim-pianakaviana ity izay nokikisan’ny nenina mafy, fa namoy ny ainy ramatoa vadiny vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ka namono tena rangahy, ary ny fatiny niampatra vao maraina teny amoron-dalana no nanaitra ny maro, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa