Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray, tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimiera, Distrikan’ Ifanadiana, ny harivan’ny 3 jona teo, ka trano 150 tafo no may kila forehitra nodoran’ny dahalo tao Marofotsy. Raha ny vaovao voaray, dia trano 19 sisa tavela tsy hotohoton’ny afo tao amin’ity tanàna ity. Raha tsiahivina, ny 27 mey lasa teo, notafihan’ny dahalo ity Fokontany ity. Noho ny fanafihan-dahalo in-droa niantoana, dia nitsoaka nandositra ny tanàna ny mponina ao Andemaka Nord, ka lasa tanàna haolo ankehitriny. Mikatona tanteraka ny sekoly, tsy misy mpianatra mianatra nefa ny Cepe efa akaiky. Raha ny nambaran’ny mpitondra fivavahana iray miasa ao Ambohimiera, nampita ny vaovao, fa efa roa taona izay no tsy milamina ny ao amin’ity Kaominina sisin-tany manasaraka amin’ny Distrikan’ Ambohimasoa ity. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo toa tsy misy fanafana, dia mangataka amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny vahoaka miaina ao anaty tebiteby lava, mba hanaovana « opération spécial » fampandrian-tany, satria tsy ampy isa ka tsy mahatosika an’ireo dahalo manao andiany an-jatony indray manafika ny mpitandro filaminana misy any an-toerana.
Eric Manitrisa