Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao an-tampon-tanànan’ Ifanadiana, afak’omaly alina. Nanomboka tamin’ny sivy ora ny firehetana. Noho ny tsy fisian’ny mpamonjy voina any an-toerana, dia nifarimbona namono ny afo tamin’ izay teo am-pelan-tanany ny mponina teo an-tanàna, ka ora maromaro taty aoriana vao maty tanteraka ny afo. Araka ny vaovao voaray farany, dia trano maherin’ny 150 no may kila forehitry ny afo tanteraka tamin’ity hain-trano ity. Raha ny fantatra, dia ny tanàna akaikin’ny Cnaps sy ambanin’ny fiangonana Katolika no tena lasibatry ny afo. Nandritra ny firehetana, dia navoaky ny olona teny an-dalambe avokoa ny entana tamin’ireo trano nirehitra sy teo amin’ireo trano manodidina, ka tapaka tanteraka vokatr’izany ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-25, ny alin’io mandra-marainan’ny andro.
Eric Manitrisa