- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversIfanadiana : Zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Ifanadiana : Zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika indray tao Ifanadiana, ny alarobia hariva lasa teo. Vokany, omby an-jatony no lasan’ireo malaso, zandary iray kosa no lavo teo am-panatanterahana ny asany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpitandro ny  filaminana.  Araka ny loharanom-baovao hatrany, dia efa nampiomana mialoha ireto olon-dratsy ireto, ny amin’ny fahatongavan’izy ireo tao amin’ilay tanàna. Efa niomana araka  izany ireo fokonolona sy ny zandary tany an-toerana niandry ireto dahalo ireto. Lasa ihany anefa ny alina, nanomboka nanangasanga ny maraina fa tsy mbola nisy tamingana malaso nieloelo teny amin’ny manodidina. Raha ny vaovao voaray, dia nikasa ny hody ireto mpiambina ireto, tokony ho tany ho any amin’ny 4 ora maraina tany. Nanondro tamin’ny 5ora maraina teo kosa no nanomboka nirefotra voalohany ny basy, araka ny vaovao hatrany. Tany amin’ireo zandary tao an-toerana mihitsy no nandehanan’ireo dahalo, izay voalaza fa am-polony maro, niaraka tamin’ny zaza amam-behivavy. Vantany vao nivoaka ny varavarana handeha hizaha ny zava misy anefa ireto mpitandro ny  filaminana ireto no avy hatrany dia bala no nitsena ny iray tamin’izy ireo; izay namoy ny ainy teo no ho eo. Tsy nisy azon’ireo fokonolona  natao intsony teo anatrehan’izany. Navoakan’ireo olon-dratsy tsy  tamim-pisalasalana ny omby ary rifatra nitsoaka izy ireo taorian’izay. Teo anatrehan’izany, dia nandeha nanampy ireo zandary sisa tany an-toerana sy ny fokonolona ny mpitandro ny  filaminana fanampiny avy ao Ranomafana. Efa mandeha ny fanarahan-dia sy fikarohana ireo olon-dratsy, raha ny vaovao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici