- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIfaty Toliara : Mompera naratra mafy novelesina Sinoa ny totohondry sady voambana basy

Ifaty Toliara : Mompera naratra mafy novelesina Sinoa ny totohondry sady voambana basy

Sahy loatra ny teratany vahiny sasany eto amintsika kah ! Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tany Ifaty Distrikan’i Toliara II, afak’omaly. Mompera mpampivavaka ao amin’ny paroasy Katolika Sanfily Toliara, izay nitarika tanora maromaro avy nitsangatsangana tany Ifaty no niharan’ny herisetra nataona teratany Sinoa teny an-dalana rehefa hiazo an’i Toliara renivohitra. Noho ny daroka sy vono nihantra taminy dia naratra i mompera Romuald. Ny vaovao voaray, nitondra fiara ity pretra ity, raha nandeha fiara hafa ireo tanora niaraka taminy. Nisy Sinoa lahy mbola tanora nitondra fiara ihany koa anefa nanao ankisisika sady nampaneno « klaxon » hisongona ny fiara nentin’i mompera Romuald. Nomen’ity relijiozy ity lalana izy rehefa nampaneno anjomara fanindroany. Vao avy tafasongona anefa dia najanon’ilay tovolahy Sinoa tampoka ny fiara nentiny. Nivoaka ny fiara izy ary nivatravatra fiteny nanantona an’ny mompera Romuald, ary nilaza fa naninona hono izy no tsy homena lalana. Vao nanazava ity pretra ity, totohondry sy ambana basy no nasetrin’ilay Sinoa azy, kanaratra ity mpitondra fivavahana ity. Nandritra izany no tonga ny fiara nitondra ireo tanora niara-dia tamin’ny mompera. Nisy ny nentin-katezerana nahita an’ny mompera naratra saingy nahatandrin-tena tsy nikasi-tanana an’ilay Sinoa. Taorian’izay, nosamborin’ny Zandary ary notazonina natao famotorana ilay Sinoa ninia nandratra sy nanambana basy an’ny mompera. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici