Tsy mitshatra ny asan-dahalo, indrindra fa ny halatra omby any amin’ny Faritry Ihorombe. Araka ny loharanom-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana, dahalo efatra no maty. Indroa miantaona ny fanafihana niseho tany an-toerana. Tany amin’ny fokontany Marovala kaominina Satrokala ny 29 jona, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, jiolahy marobe nitondra basim-borona no nangalatra omby misy hatrany amin’ny 70. Vao nahare ny vaovao ny zandary, dia nanao fanakanan-dalana niaraka tamin’ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana ka farany, vaky tady nandositra ireo malaso. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ny omby. Ny telo anefa efa novoinin’ireo mpangalatra.
Ny fanafihana faharoa niseho, dia nitranga tao amin’ny fokontany Andalo tamin’ny 27 jona tamin’ny 8 ora sy sasany. Bandy enina nitondra basaim-borona no nangalatra omby 40. Mbola fiaraha-miasan’ny zandary sy ny fokonolona hatrany no nahafahana nanenjika ireo mpangalatra. Nisy ihany koa ny fifampitifirana tao amin’ny toerana antsoina hoe Analamanahy. Tamin’izany no nahafaty dahalo efatra. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby rehetra nangalarina. Voalaza fa nahitam-bokany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona.
nangonin’i r.s.