- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversIhorombe : Tratra i Bazaza, dahalo vavy ekipan-dry Barinjaka

Ihorombe : Tratra i Bazaza, dahalo vavy ekipan-dry Barinjaka

BAZAZA
BAZAZA

Dahalo vavy iray ao anatin’ny ekipan-dr’i Barinjaka malaso mpampihorohoro any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy, mitondra ny anarana hoe “Bazaza” indray no tra-tehaky ny “dina”-n’ny fokonolona ny asabotsy folakandro lasa teo. Izany moa dia niseho tao amin’ny kaominina Ranotsara Avaratra ao amin’ny distrikan’i Iakora, faritra Ihorombe, taorian’ny fanarahan-dia ny omby 60 nangalarin’ireto malaso ireto. Fantatra ihany koa fa maty ny tompon’omby taorian’ny fanafihana nahazo azy tao amin’ny fokontany Ambalamatsinjo. Ireo omby kosa dia tafaverina soa aman-tsara. Raha ny loharanom-baovao azo moa dia miandahy miambavy ny fanafihan-dahalo any an-toerana. Rehefa natao ny fanadihadiana ity dahalo vavy ity dia nanondro avy hatrany ireo namany sy ny lehibeny izay vehivavy mitovy aminy ihany izy. Mangataka araka izany ireo fokonolona ny hanaovana sava hao ny faritra rehetra mba hitadiavana ity vehivavy ity mba hamongorana ny asan-dahalo sy ny tsy fandriam-pahalemana miseho lany any Ranotsara sy ny manodidina azy toa any Iakora sy Andranobao.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici