- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : « Assistant parlementaire » mamo nidaroka jeneraly

Ihosy : « Assistant parlementaire » mamo nidaroka jeneraly

Maro ireo olom-boantendry ankehitriny no tsy mahazaka ny fahefana kely nampindramin’ny vahoaka azy, ka misetrasetra etsy sy eroa ny sasany amin’izy ireo, satria mirehareha fatratra fa manana olona ambony mpiaro azy ireo foana isaky ny manao hadalana sy mandika lalàna.

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tao an-drenivohitry ny Faritra Ihorombe, ny alin’ny 26 novambra teo, nandritra ny lanonana nokarakarain’ny avy ao amin’ny Fitsarana Ihosy. Araka ny loharanom-baovao voaray, « Assistant parlementaire » an’ny Senatera iray no namelaka tehamaina (tefatsofina) imasom-bahoaka manamboninahitra Jeneraly iray, izay Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any an-toerana. Gaga sy talanjona avokoa ireo manampahefana sy olombe nanatrika ny lanonana tamin’ny fihetsika feno herisetra sy mamoehatra nataon’ity lehilahy ity, ary nilaza ity farany fa tsy matahotra an’iza na iza izy. « Na Ragova aza tsy hatahorako, vao mainka ialahy ry sefo be kintana. Ary tsy hainao fa zokiko Senatera sy depiote », hoy ny eboebon’ity « Assistant parlementaire » tampohim-pahefana ity.

« Gros bras ». Taorian’ny herisetra sy fihetsika tsy faseho masoandro nataony, dia nosamborin’ny mpitandro filaminana ity « Assistant parlementaire » ity. Araka ny loharanom-baovao azo hatrany, dia tsy vao sambany izao fa isaky ny mamo ity olom-boatendry matoky « valeur » misengesenge midingin-drambo eraky ny tanàna ity dia mamelaka tehamaina olona foana, ary betsaka ireo talem-paritra ao Ihorombe efa nohorohoroiny, fa raha vao tsy manaraka ny teniny hoe dia hafindrany toerana, satria azy ny fahefana amin’izao ary deban’ny « Gros bras » hono izy. Ela nisekosekoana loatra ingahy « Assistant parlementaire », hoy ny olona, ka sendra ny patsa iray tsy omby vava izy tamin’ity indray mitoraka ity, satria tany an-tokononan’ny mpamosavy no nanoko sikidy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici