Manjaka indray ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fitsaram-bahoaka any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Ny faran’ny herinandro teo dia dahalo 2 lahy malaza amin’ny fangalarana omby indray no azon’ireo mpanara-dia ka nampiharan’ny vahoaka ny fomba fitsarany. Tany Iakora, tokony ho 150 km miala avy eo Ihosy, moa no nitrangan’izany. Raha ny fanamarihana azo hatrany moa dia anisan’ireo dahalo mpanao fairano ny vahoakan’Iakora ireto tratra sambo-belona ireto ka izao nanamparan’ny olona ny hatezerany izao. Ho azy ireo dia tsy ekena intsony ny fandefasana ny dahalo eny amin’ny mpitandro ny filaminana izay tsy mahavita ny asany. Tsy matoky ny fitsarana intsony izy ireo ary mihevitra fa ny fisiana fitsaram-bahoaka mihoapampana hoatra an’izao no hany vahaolana tokana mahomby hiadiana amin’ny asan-dahalo sy ny tsy fandriam-pahalemana. Raha ny fanazavana azon’ny mpanao gazetinay moa dia nafatotra tamin’ny tsato-by na « poteau » ireto dahalo 2 lahy ireto ka teo no nitifirana azy. Ny fatiny kosa dia navelan’ny fokonolona nohanin’ny alika teo. Asa moa izay fahamarinany fa raha ny fanazavana azonay dia ny basin’izy ireo ihany no nitifiran’ny olona azy, satria voalaza fa tsy matin’ny basin’olon-kafa izy ireo noho ny ody gasy mbola niambozonan’izy ireo. Ireo moa dia fitaovana entin’ireo olon-dratsy manafika sy miady amin’ny mpitandron’ny filaminana eto amintsika.
Niony H.