- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Dahalo 40 lahy nanafika tao an-tampon-tanana, omby 60 ...

Ihosy : Dahalo 40 lahy nanafika tao an-tampon-tanana, omby 60 very tao an-tsena

Efa tena mihantsy ny mpitandro ny filaminana tokoa ny dahalo ao amin’ny faritra Ihorombe ao.  Dahalo tsy latsaky ny 40 lahy mirongo basy no idray nanafika tao an-tampon-tananan’Ihosy, renivohitry ny farita, ny Talata tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Lasibatra tamin’izany ny omby miisa 60 mahery izay notazonina tao amin’ny valabe fitehirizana ireo omby avy novidiana tamin’ny tsenan’omby ny Sabotsy ka miandry ny hitondrana azy ireo miakatra aty an-drenivohitra. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, nirongo basim-borona tsy latsaky ny 20 ireo dahalo. Tsy fantatra marina izay niaviany fa sady nanapoaka basy no nihorakoraka izy ireo namakivaky ny tanan’I Tanambao ka niatsimo nanaraka ny arabe nihazo ny toerana misy ny tsen’omby izay misy ilay valabe.

Nihorohoro noho izany izay nandalovan’ireto olon-dratsy. Toy izany koa ireo mpiambina ny vala izay nilaza fa voatery niafina nohon’ny hamaroan’ireto mpanafika. Vokany, nalalaka tanteraka ireto farany namoaka ny omby ary nanesy izany nizotra nianavaratra. Efa lasa ora vitsivitsy izy ireo, raha ny fampitam-baovao hatrany, vao nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanarahan-dia ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny EMMO-REG. Hatramin’ny fotoana anoratanay aloha, dia mbola tsy misy tratra ireo joilahy sy ny omby.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici