- Publicité -
lundi, septembre 15, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Dahalo 80 lahy nanafika, lasa ny omby 100

Ihosy : Dahalo 80 lahy nanafika, lasa ny omby 100

Dahalo 80 lahy indray no niara-nanafika tokantranon’ny tompon’omby iray tao amin’ny fokontany Lalovy, kaominina ambanivohitra Analavoka, distrikan’ Ihosy, ny talata lasa teo. Tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no nitrangan’ny fanafihana. Marihina fa nirongo basim-borona sy fitaovam-piadiana maranitra avokoa ireto dahalo 80  ireto nandritra izany fanafihana izany. Vokany : lasan’izy ireo avokoa ny omby100 an’ilay tompon-trano . Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona taorian’izay. Nanampy azy ireo tamin’izany ny kartie môbila atao hoe « Jama » miisa 10. Vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta anefa, dia Jama iray no lavon’ny balan’ireo dahalo. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary izay notarihin’ny Komandin’ny Kaompania Ihosy,  nandray an-tànana ny raharaha. Mbola mitohy ny fanarahana ny dian’omby sy fikarohana ireo dahalo.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici