- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Dahalo dimy maty voatifitra

Ihosy : Dahalo dimy maty voatifitra

Dimy tamin’ireo dahalo nirongo basy sy fitaovam-piadiana avy nangalatra omby 120 vao naraina tao amin’ny tanànan’i Soatanimbary Ihosy no maty lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny herinandro iny. Malaso 13 kosa naratra mafy tapa-tanana, ary miaramila iray no naratra voatifitra. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nandritra ny fanarahan-dia no raikitra ny fifadonana nahery vaika teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo dahalo, ka teo no nahafaty sy namparatra an’ireo malaso mpangalatra omby. Nitsoaka niaraka amin’ny omby kosa ireo dahalo raha vao nahita ny namany rotiky ny bala.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici