- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy : Dahalo fito sy fokonokona telo maty

Ihosy : Dahalo fito sy fokonokona telo maty

Nisy fanafihan-dahalo indroa miantaona tany amin’ny disitirikan’Ihosy, tao anatin’ny herinandro. Ny farany niseho dia tamin’ny faha-16 aprily teo, tao amin’ny tanana antsoina hoe Anatelo, any Jangany. Dahalo 60 mirogo kalachnikov sy basim-borona no nanafika tanàna  iray ary omby 500 isa no lasibatra tamin’izany. Efa lasa elaela ireo mpangalatra vao nanara-dia ny fokonolona sy ny zandary. Raikitra ny fifandonana, izay voalaza fa mafy dia mafy tokoa, satrtia sady be an’isa ireo dahalo no manana fitaovam-piadiana matanjaka. Tsy nifankahitana ny tifitra teo amin’ilay toerana nahatratrarana ireo dahalo. Voalaza fa nitombo ny isan’ireo mpangalatra ka saika tsy naharesy tosika an-dry zalahy ny mpanenjika. Tsy nanaiky anefa ireo mpanara-dia ka fantatra tamin’izany fa lavo ny jiolahy efatra. Tetsy ankilany, fokonolona telo koa no maty. Fa andro vitsy talohan’izany, nisy dahalo dimy lahy nanafika tanàna iray, mbola tany amin’ny faritr’Ihosy ihany. Rehefa nifampitana tamin’ny fokonolona sy ny zandary izy ireo dia maty ny telo. Araka izany, tafakatra fito ireo malaso maty.

Mafampana tokoa ny asan-dahalo tato ho ato manerana ny Nosy ka mila fandraisana andraikitra sy fahamailona avy amin’ny tsirairay avy, izay miaina any ambanivohitra lavitra any.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser