- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Famonoana komisera, toherin’ny polisy ny didim-pitsarana

Ihosy : Famonoana komisera, toherin’ny polisy ny didim-pitsarana

Tsy ankatoavin’ny polisy ao amin’ny kaomisaria Ihosy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ambony ao Fianarantsoa. Izany dia mahakasika ny fankatoavana ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’ireo izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana komisera. Io farany, izay antsoina hoe Mosa Jeannot, dia komisera eo anivon’ny polisy izay efa misotro ronono. Nisy namono izy ny alin’ny alatsinainy 2 oktobra tamin’ny taon-dasa (2017). Efa azon’ny fampanoavana ny didy mahakasika ny famoahana vonjimaika saingy tsikaritra fa tsy mbola nampihariny izany hatreto. Ny antony dia ny fahatahorana sao hisy akony amin’ny filaminam-bahoaka ny famoahana ireo voafonja ireo. Ny polisy ao Ihosy dia nanazava tsara fa handray andraikitra avy hatrany izy ireo raha toa ka mihatra ny didy famohana ireo olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity heloka bevava izay nahafaty ny iray tamin’izy ireo ity. Hatramin’ny nahenoan’izy ireo ny fikasàna hamoaka ireo voafonja izay voakasik’ity raharaha ity aza dia efa miasa andro aman’alina ny polisy rehetra izay eo anivon’ity komisaria ity.

Filaminam-bahoaka. Nisy koa ny baiko nomen’ny lehibeny ny amin’ny hisamborana avy hatrany ireo olona voakasika raha toa ka misy ny fivoahan’ireo ny fonja. Ireo mpitandro ny filaminana ireo dia mitaky ny fivoahan’ny marina ary tsy eken’izy ireo araka izany ny famoahana ireo olona mandra-pahatongan’izany. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia fomba iray iarovan’izy ireo ny olona voakasika ny anton’ilay fanapahan-kevitra ny hitazomana azy ireo raha vao mivoaka ny fonja. Izany dia mba ho fiarovana ny filaminam-bahoaka satria raha ny re dia efa misy miandry fotsiny koa hifofo ny ain’ireo voarohirohy ho mpamono olona. Misy fikorontanana araka izany, raha jerena amin’ity tranga ity ary amin’ity raharaha ity, ny asam-panjakana eo amin’ny fampanoavana ambony, ny fampanoavana ary ny polisy. Mila manapa-kevitra faran’izay haingana ny tompon’andraikitra eo anivon’ireo sehatra ireo satria ny tantara, ary vao tsy ela loatra akory aza, dia efa nanaporofo fa efa  tonga hatramin’ny vonoan’olona ny fikorontanana toy izao. Mbola tsy hadinon’ny maro angamba ny habibiana nihatra tamin’ilay mpitsara tany Toliara…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici