- Publicité -
mardi, septembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Jiolahy mpanafika fiara maty voatifitra

Ihosy : Jiolahy mpanafika fiara maty voatifitra

Jiolahy mpanakan-dàlana iray no maty tsy tra-drano voatifitra trobaky ny bala teo amin’ny kibony, raha iray hafa azo sambo-belona, ny alin’ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 11 ora, tamin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Mahasoa Atsimo Ihosy. Afaka nitsoaka kosa ny namany. Raha ny vaovao voaray dia nikasa hanafika taksiborosy avy any Fianarantsoa handeha hidina  any Toliara ireto jiolahy dimy niaraka tamin’ny basy sy zava-maranitra ireto ; izay nametraka vatobe natao sakana teo afovoan’arabe. Tsy nijanona ny mpamily ny fiara raha vao nahita izany fa niezaka nanohy ny diany, saingy vaky ny kodiarany avy eo ka tsy afa-nandroso intsony. Nisy tanàna tsy lavitra teo ka tazan’ny fokonolona ny asa ratsy ary nirohotra ireto farany, ka raikitra ny fifajevoana. Nandamoka, araka izany, ny fanafihana. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’ireo fokonolona sy ny mpandeha ary tsy nisy ihany koa ny entana lasan’ireo olon-dratsy.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser