Fiara roa izay samy avy ao Toliara nandeha nianavaratra no tra-doza tamin’ny RN7, tao an-tampon’ Ihorombe, 38 km tsy hiditra an’ Ihosy, afak’omaly. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso ny loza, dia samy nandeha mafy na ilay kamiao « Magnum » iray nitondra sira na ilay « 4×4 Nissan double cabine ». nifadona taminy. Samy nivadika ny roa tonta, ka lehilahy iray izay mpamily mpanampy an’ity fiarabe no maty tsy tra-drano. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia nisongona tampoka an’ilay kamiao tao anaty lalana mahitsy ity fiara tsy mataho-dalana, nefa nifatratra tany amin’ilay fiarabe, ka nipitika ny kodiarana anoloany havanana, ary nivadika ambony ambany avy eo. Raha nahita izany ny saoferan’ilay kamiao, dia taitra sy nikoropaka ka tsy nahafehy intsony ny familiana ny fiara nentiny, ary nivarina tany anaty tatatra, nivadika koa avy eo. Maso mahita, dia vokatry ny fandehanana mafy foana, ary noho ny tsy fifandeferana misy eo amin’ny samy mpamily no mitera-doza matetika, izay amoizana ain’olona tsy manan-tsiny hatrany.
Eric Manitrisa