Efa mafy loatra ny onjam-piainana ka zary lasa manaonao fahatany ny olona indraindray. Tovolahy iray nikasa ny hamono tena rehefa nilaozan’ny olon-tiany ; izay nanaraka teratany vahiny mpanao vato safira any Ilakaka, no naratra mafy tapa-tongotra aman-tànana nitsambika tany ambany fiarakodia tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, afak’omaly, tany Ihosy. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray, dia mbola miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao ity lehilahy namoifo tsy nahazaka fisarahana tampoka ity. Soa ihany fa kinga ilay mpamily fiarakodia nanitsaka ny hisatra, fa raha tsy izany dia potika tanteraka ny vatan’ilay tovolahy. Raha ny loharanom-baovao, dia efa fanindroany ity tovolahy ity no nikasa hamono tena. Tamin’ny voalohany izy nihinana fanafody marobe saingy mbola avotra, dia izao izy nitsoraka tany ambany fiarakodia izao indray io.
Eric Manitrisa