- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Maina ny tany, ifampitadiavana ny rano

Ihosy : Maina ny tany, ifampitadiavana ny rano

Noho ny tsy fisian’ny orana, dia miaina ao anaty hain-tany sy ianjadian’ny tsy fahampian’ny rano tanteraka ny ankamaroan’ny mponina any amin’ny distrikan’ Ihosy, Faritra Ihorombe. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia efa ho tapa-bolana no mankaty no nijaly rano hantsakaina ny vahoaka. Ritra sy maina ny vovon-drano, satria miharitra avokoa ny loharano sy rian-drano mamatsy ny tanànan’ Ihosy, ka manano sarotra ny fahazoana rano fisotro madio. Na andro na alina, dia ilaharana avokoa ireo paompy mamatsy rano fisotro. Misy amin’ny olona mandeha an-kilaometatra maro mivoaka ny tanàna vao mahita rano, kanefa mbola tsy ara-pahasalamana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici