Manahy mafy ny hisian’ny kolikoly avo lenta eo anivon’ny Fitsarana ny tompon’ilay tranom-barotra voatafika ao Ihosy. Mandeha tokoa mantsy ny resaka amin’izao fotoana fa ny vola nalain’izy ireo tao anatin’ilay tranom-barotra ihany no hampiasaina hahafahan’ireo voatazona mivoaka ny Fonja. Raha tsiahivina dia ny faha 10 ny volana novambra lasa teo no nisy nanafika ny tranom-barotra lehibe iray ao Ihosy tampon-tanàna. Nilaza ilay mpiambina fa nisy olona valo nitondra basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika namaky ilay tranom-barotra. Rehefa natao ny fidinana ifotony, tsy nisy entana very fa ny vola versement manodidina ny 100 Tapitrisa Ariary saika haterina tany amin’ny banky no lasa. Nilaza fa voatifitra ihany koa ny mpiambina iray ka naratra. Rehefa natao famotorana tany amin’ny mpitandro filaminana, ireo olona valo izay samy mpiambina ilay toerana avokoa dia fantatra fa notatahina tamin’ny hareza teo amin’ny kibony, izay nolazaina fa voan’ny bala. Nosamborina ireo olona valo ireo, ka naiditra vonjimaika any am-ponja eo am-piandrasana ny fotoam-pitsarana. Eo am-piandrasana izany no mandeha ny feo fa io vola norobahin’izy ireo io ihany no hampiasaina ka hanaovana kolikoly eny amin’ny Fitsarana hahafahana mamoaka azy ireo. Manamafy ny ahiahy…Manoloana izany dia mangataka ireo niharam-boina ny hamerenana ny volan’izy ireo voaroba, izay tsy nasehon’ireo olona voatazona ireo hatramin’ny androany. Maniry ihany ko aizy ireo ny mba hanaovan’ny fitsarana ny asany ara-dalàna, ka mba hiharan’ny sazy sahaza azy sazy araka ireo voaroiroy ratsy. Manantena araka izany ny fianakavian’ireo niharam-boina fa rafitra mahaleo tena ny fitsarana, ka hamoaka didy araka ny tokony ho izy. Ny fomba fiasan’ny Fitsarana eto amintsika izay efa nandrenesana fitarainana maro manoloana ny tranga tahaka izao.
R.Edmond