- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Masera voasolokin’ny Afrikana iray

Ihosy : Masera voasolokin’ny Afrikana iray

Tsy mifidy olona hosolokiana intsony ny olon-dratsy amin’izao. Hatramin’ny Masera lasibatra, toy ny tranga tao Ihosy ny alakamisy teo. Nisy olona telo tonga tao amin’ireto relijiozy, nitonona ho teratany afrikanina ny roa, raha vehivavy malagasy ny iray, nilaza ireo fa mpamongady akanjo friperia mora vidy sady manao asa soa amin’ireo zaza kamboty sy sahirana. Roboka ireto anabavy ara-panahy noho ny lainga tsara lahatra, sady nahita ny ampahan’entana tsara kalitao nentin’ireto mpisoloky, ka nanome vodiondrim-barotra lelavola telo tapitrisa ariary. Tonga ny andro zoma nifanarahana hanaterana ny entana, tsy hita ireto milaza ho mpamongady sy mpanao asa soa. Nantsoina an-telefaonina hatramin’ny omaly alahady nefa tsy tratra antso, satria tsy miasa ny laharana finday nomen’izy ireo, hoy ny vaovao voaray. Mbola teratany afrikanina (Congolais) ihany koa nisoloky volana Mompera an-tapitrisany tao Fianarantsoa. Voasambotra ireo mpanao ratsy ary natolotra ny Fitsarana ny alarobia lasa teo. Rehefa traingo matetika amin’ny fika maloto amin’ny fanaovana vola sandoka ny teratany afrikanina sasany eto amintsika, dia any amin’ny fisolokiana avolenta indray no tany malemy hanoneram-pangady, ary lasibatra matetika ny mpitondra fivavahana tato ho ato.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici