- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy : Mpamosavy tra-tehaka naboridan’ny fokonolona

Ihosy : Mpamosavy tra-tehaka naboridan’ny fokonolona

Vehivavy iray manodidina ny 45 taona izay voatondro ho mpamosavy, no naboridan’ny fokonolona nahatratra azy tany Ihosy, afak’omaly alina. Raha ny vaovao voaray, dia voalaza fa nandihindihy niboridana alim-be teo an-tokotanin’olona ity ramatoa ity. In-droa alina nisesy izy no nanao io fihetsika io isaky ny amin’ny roa ora maraina. Nihorohoron’ny tahotra vokatr’izany ny tao an-trano ka tsy nety nahita tory mihitsy. Nandray fepetra ny tompon-trano ny andro fahatelo ka nanangona ny vantan-dehilahy teo an-tanàna. Inona tokoa, mbola niverena nanao ny fanaony teo ity vehivavy ity ka nosamborin’ny fokonolona. Rehefa nofotorana izy, dia tsy niteny mihitsy fa nanidy vava sady nivotirika mena be ny voamasony. Nony ny naraina ny andro, dia naseho imasom-bahoaka ity ramatoa voalaza fa mpamosavy ity, ka nisy tamin’ireo olona nijery no nahafantatra azy ary nilaza fa ramatoa marary saina avy any Fianarantsoa io, ka rehefa alim-be dia miboridana sy mandihidihy an-tokotanin’olona foana rehefa tsindrian-javatra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici