Ny Sabotsy 23 Martsa lasa teo, dia tovolahy iray natao takalonaina no avotra sy omby 22 no tafaverina amin’ny tompony tany Ihosy, noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny Polisy. Dahalo 14 mirongo basim-borona 7 no nanafika ny fokontany Bemandresy sy Androtsy, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambia, distrikan’Ihosy. Nanao tifi-danitra ireto dahalo ireto rehefa nanafika ireo fokontany ireo, ary nalain’izy ireo tamin’izany ny omby 23. Nosamborin’izy ireo ihany koa ny lehilahy iray mpiarakandro ireo omby ireo. Rehefa vita ny fanafihana, dia nentin’izy ireo nitsoaka ireo omby sy ilay mpiarakandro. Efa nampandre ny Polisy anefa ireo fokonolona ka tsy niandry ela ireto farany, fa avy dia nanao ny paik’ady rehetra ka nitsena ireo dahalo tamin’ny lalana saika handosiran’ireto farany. Ny fokonolona ihany koa moa taorian’ny fanafihana, dia nanara-dia ireo dahalo. Vao nifanena tamin’ny Polisy moa ireo dahalo dia nirifatra nandositra ka navelan’izy ireo teo ny omby 22 nangalariny. Avotra soaman-tsara ihany koa ilay mpiarakandro.
T.M.