Ny zoma hariva teo, no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa nandalo teny amin’ny fampanoavana ireo valolahy tra-tehaky ny polisy nitondra rongony 131 gony tamina fiara tsy mataho-dalana efatra tao Ihosy, tamin’ny RN 7, ka anisan’izany ny fiaran’ i Maharante. Ity farany moa raha ny voalazan’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ ny asam-panjakana, dia zana-drahavavin’ny minisitry ny asam-panjakana izay mitovy anarana amin’ ity minisitra ity. “ Tsy hilefitra amin’izao trafika mamoehitra izao, ary tsy hanao fanelanelanana mihitsy ny minisitry ny asam-panjakana, na dia havany aza io Maharante io “, hoy ingahy Dircab, tamin’ny mpanao gazety.
Nandà ny fiampangana azy. Raha ny loharanom-baovao azo izay nohamafisin’ny mpisolo vavan’ireo voampanga, dia olona iray niaiky ny helony ary nilaza fa tompon’ireo rongony, raha nandà mafy ny fiampangana azy kosa ireo fito ambiny ; izay nilaza fa voafitaka izy ireo, satria vato cristalline no voalaza fa nifanarahana hoentina tamin’ireo fiara 4×4 nofaina. Noho ny fitokonan’ ireo mpandraharahan’ny fonja, dia tsy noraisin’izy ireo ireto mpibizina rongony avo lenta M.D, ka naverina notazonina indray ao amin’ny biraon’ny polisy ao Ihosy miandry ny fotoam-pitsarana azy, izay mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny andro hitsarana azy valolahy ireto, ka hivoahan’ny tena marina amin’ity afera maizina ity, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nodorana ny zoma tolakandro teo ireo rongony an-taoniny sarona.
Eric Manitrisa