- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Olona telo maty voatifitry ny dahalo, valo hafa maratra mafy

Ihosy : Olona telo maty voatifitry ny dahalo, valo hafa maratra mafy

Nisehoana fanafihan-dahalo nahery vaika tany amin’ny tanàna kely iray antsoina hoe Antaramena disitirikan’Ivohibe, Faritra Ihorombe. Vokany, olona telo no fantatra fa maty voatifitra ary valo hafa naratra mafy. Nisy ny voa teny amin’ny sorony, teny amin’ny feny ary teny amin’ny tratrany. Samy efa tsaboina avokoa izy ireo. Ny vaovao no nahafantarana fa hatrany amin’ny zato mahery ireo mpandroba ka ny efatra tamin’izy ireo dia vehivavy. Omby  300 eo ho eo no lasan-dry zareo tamin’io fanafihana io; izay nitranga ny alarobia alina tokony tamin’ny 10  tany ho any. Tsy nitsitsy mihitsy ireo mpangalatra, fa nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy. Izany no nahamaro ireo mpikambana avy tamin’ny fokonolona voatifitra maro sahala amin’izao. Rehefa nahazo ireo omby ny dahalo, dia niroso nandroaka izany niala ilay tanàna. Anisan’ny faritra be omby iny any Ihorombe iny. Tany aloha tsy dia ela loatra, nalaza tamin’ny halatr’omby iny toerana iny. Maro kizo fampiasan’ny jiolahy any, raha ny vaovao fantatra no lazaina. Any no misy izany Analamanara izany, toerana fanafenanan’ny dahalo ny omby nangalariny ary efa novonoiny. Tsy vitsy koa ny faritra famaharan’ireo mpangalatr’omby ireo ary izay biby entiny any, tsy hita intsony.

Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana miasa any an-toerana. Voalaza moa fa efa misy fanadihadiana misokatra amin’izao fotoana izao mikasika iny halatra narahana vono olona ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici